2 Chronicles 28:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin’NY TOMPO; efa be ny fahadisoantsika ka iharan’ny fahatezerana mirehitra ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao hoe: «Tsy hampiditra ireo babo ireo eto ianareo, fa ny hivesarantsika fahotana amin’i Israely no kendrenareo ka mitady hanampy ny fahotana amam-pahadisoantsika ianareo, fa lehibe ny hadisoantsika, ka dia mirehitra amin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nilazany hoe: –Aza ampidirinareo atỳ ireo olona sambo-belona ireo, fa tonga hanan-keloka amin’ny TOMPO isika. Mbola kasainareo hampiana ihany ve ny fahotana amam-pahadisoantsika, na dia efa mavesatra tokoa aza izany ary na dia efa mirehi-pahatezerana amintsika Israelita tavaratra aza Andriamanitra?
Malagasy Bible 1865
nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin'i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan'ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin’NY TOMPO; efa be ny fahadisoantsika ka iharan’ny fahatezerana mirehitra ny Israely.
malagasy