2 Chronicles 28:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy dia nampiakanjoiny tamin’ny zavatra azo babo; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany diloilo sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa ka noentiny tany Jeriko, tanàna be hazo palma, ho any amin’ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nitsangana ireo lehilahy efa voatonona anarana teo, nandray ny sambo-belona, ka notafiany aloha tamin’ny zavatra babo izay tsy nitafy, nomeny akanjo aman-kiraro, vao nampihinaniny sy nampisotroiny sady nohosorany izy ireo, dia nampitaingeniny ampondra izay rehetra efa reraka mafy loatra, ka nateriny tany Jerikao, tanànan’ny rofia izy ireo, ho any amin’ny rahalahiny. Izy kosa niverina tao Samaria.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary olona voatonona anarana manokana no nitsangana nampahery ny sambo-belona: tamin’ny zavatra voababo ihany no nampiakanjoiny izay rehetra tsy nitafy na koa nanomezany azy kapa; notolorany sakafo sy zava-pisotro ny besinimaro, nohosorany diloilo ny nangotsokotsoka, nampitaingeniny boriky izay rehetra nandringa; dia izy sambo-belona mianakavy no nentiny tany Jerikao, tanàna mpamokatra rofia, ho any amin’ny mpiray foko aminy. Avy eo vao niverina nody tany Samaria ireo mpanatitra.
Malagasy Bible 1865
ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy dia nampiakanjoiny tamin’ny zavatra azo babo; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany diloilo sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa ka noentiny tany Jeriko, tanàna be hazo palma, ho any amin’ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
malagasy
ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin'ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin'ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.[palma]