2 Chronicles 28:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Filistina koa dia nanafika ny tanàna tany Sefela sy tany Negeva izay momba an’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy, i Aialona, i Gederota, i Soko sy ny vohitra miankina aminy, i Timna sy ny vohitra miankina aminy ary i Gimzo koa sy ny vohitra miankina aminy; ary nonina tao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Filistinina niely teny amin’ny tanàna eny amin’ny Sefelà sy ny Negeban’i Jodà; azony avokoa i Betsamesa, i Aialôna, i Gaderôta, i Sôkô sy ny tanàna momba azy, i Tamnà sy ny tanàna momba azy, i Gamzô sy ny tanàna momba azy, dia nonenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny Filistinina koa nanafika ny tanàna tao Sefelà sy tao Negeba izay anisan’ny fanjakàn’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy sy i Aialôna ary i Gederôta mbamin’i Sôkao sy i Timnà ary i Gimzao miaraka amin’ny tanàna kely manodidina azy avy; ka nonenan’ny Filistinina ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Filistina koa dia nanafika ny tanàna tany Sefela sy tany Negeva izay momba an’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy, i Aialona, i Gederota, i Soko sy ny vohitra miankina aminy, i Timna sy ny vohitra miankina aminy ary i Gimzo koa sy ny vohitra miankina aminy; ary nonina tao izy.
malagasy
Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin'ny tany atsimo momba an'i Joda, dia nahafaka an'i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin'ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.[Heb. sefela]