2 Chronicles 28:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO nampietry ny Joda noho i Ahaza, mpanjakan’ny Israely, satria efa nanaram-po nanao izay ratsy teo amin’i Joda i Ahaza ka nivadika tamin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria naetrin’i Iaveh i Jodà, noho ny amin’i Akaza mpanjakan’i Israely izay nampitombo ny fitondran-tena ratsy teo amin’i Jodà sy nanao heloka tamin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampietren’ny TOMPO toy izany ny fanjakàn’i Joda noho i Ahaza mpanjakany efa nitaona ny Jodeanina hiala amin’ny TOMPO sy hanimbazimba Azy.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika tamin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO nampietry ny Joda noho i Ahaza, mpanjakan’ny Israely, satria efa nanaram-po nanao izay ratsy teo amin’i Joda i Ahaza ka nivadika tamin’NY TOMPO.
malagasy
Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan'ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin'ny Joda ka nivadika tamin'i Jehovah.