2 Chronicles 28:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanangona ny fanaky ny tranon’Andriamanitra i Ahaza ka nanapotipotika azy ary nandrindrina ny varavaran’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina alitara teny amin’ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nangonin’i Ahaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ka nomontsamontsaniny; ary nohidiany avy ny varavaran’ny tranon’ny TOMPO. Dia nanaovany alitara teny amin’ny fihaonan-dalana rehetra tao Jerosalema;
Malagasy Bible 1865
Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran'ny tranon'i Jehovah sady nanao alitara teny amin'ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanangona ny fanaky ny tranon’Andriamanitra i Ahaza ka nanapotipotika azy ary nandrindrina ny varavaran’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina alitara teny amin’ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
malagasy
Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran'ny tranon'i Jehovah sady nanao alitara teny amin'ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.