2 Chronicles 28:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nodimandry any amin’ny razany i Ahaza, dia nalevina tao an-tanànan’i Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’ny Israely. Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina tao an-tanàna, tao Jerosalema, fa tsy mba naiditra tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely. Ary i Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Ahaza, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema; saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka no nampidirana azy. Ary i Hezekià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nodimandry any amin’ny razany i Ahaza, dia nalevina tao an-tanànan’i Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’ny Israely. Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
malagasy
Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin'ny fasan'ny mpanjakan'ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.