2 Chronicles 28:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma koa izy ary ny zanany dia nodorany tamin’ny afo, araka ny fahavetavetan’ny Jentilisa izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandoro zava-manitra teo an-dohasahan’i Beny-Hinôma izy, ary nampamakiny ny afo ny zanany, araka ny fahavetavetana fanaon’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandoro vovo-javamanitra tao amin’ny lohasahan’i Bena-Hinôma koa izy, ary nanolotra ny zanany ho sorona dorana tamin’ny afo, araka ny fomba maharikoriko fanaon’ny hafa firenena izay noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma koa izy ary ny zanany dia nodorany tamin’ny afo, araka ny fahavetavetan’ny Jentilisa* izay noroahin’NY TOMPO tsy ho eo anoloan’ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin'ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'isiraely.