2 Chronicles 28:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Natolotry NY TOMPO Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Arama izy; koa nasian’io izy ka nahalasany babo betsaka noentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny Israely koa izy; nasian’io mafy izy ka resiny koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natolotr’i Iaveh Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Siria izy, ka noresen’ny Sirianina, dia nahazoany sambo-belona maro be nentiny nankany Damasa. Natolotra ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Israely koa izy, ka nasiany sy nataony hoto mihitsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa dia natolotry ny TOMPO Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjaka sirianina i Ahaza; nandresy azy ny mpanjaka sirianina ary nitondra olona sambo-belona betsaka nankany Damasy. Ny tenan’i Ahaza koa dia natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’i Peka zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, izay namely mafy ka naharesy azy.
Malagasy Bible 1865
Koa dia natolotr'i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Natolotry NY TOMPO Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Arama izy; koa nasian’io izy ka nahalasany babo betsaka noentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny Israely koa izy; nasian’io mafy izy ka resiny koa.
malagasy