2 Chronicles 28:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Peka, zanak’i Remalia, dia nahafaty olona roa alina sy iray hetsy tamin’ny Joda tao anatin’ny indray andro, izay lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan’ireny NY TOMPO, Andriamanitry ny razany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indray andro monja dia nisy 120.000, samy lehilahy mahery avokoa, no matin’i Fasea zana-dRomeliasa, tamin’i Jodà, satria izy ireo nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro monja i Peka dia nampamono ho faty vondro-miaramila jodeanina 120, noho ny nandaozan’ireo ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
Malagasy Bible 1865
Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa Peka, zanak'i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin'ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan'ireny an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.