2 Chronicles 28:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Zikry, lehilahy mahery tamin’ny Efraima, dia namono an’i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy i Azrikama, mpanapaka ny tao an-dapa, ary i Elkana, izay lefitry ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novonoin’i Zekri mpiadin’i Efraima, i Maasiasa zanaky ny mpanjaka, sy i Ezrikà lehiben’ny tao an-tranon’ny mpanjaka, ary i Elkanà, faharoa manarakaraka ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Zikrỳ, lehilahy maherifo tamin’ny Efraimita, no namono nahafaty an’i Mahaseia zanakalahin’i Ahaza mpanjaka sy namono nahafaty an’i Hazrikama mpifehy ny tao an-dapa ary namono nahafaty an’i Elkanà izay mpiara-miasa akaiky indrindra tamin’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Zikry, lehilahy mahery tamin’ny Efraima, dia namono an’i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy i Azrikama, mpanapaka ny tao an-dapa, ary i Elkana, izay lefitry ny mpanjaka.
malagasy
Ary Zikry, lehilahy mahery tamin'ny Efraima, namono an'i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.