2 Chronicles 28:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany ny Zanak’Israely, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa, dia noentiny tany Samaria ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy 200.000 ny vehivavy sy zazalahy aman-jazavavy azon’ny zanak’i Israely sambo-belona tamin’ireo rahalahiny, sady be dia be koa ny babo nalainy tamin’ireo, ary ny babo nentiny nankany Samaria.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nahazo olona sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany tatsimo ny Israelita, dia zaza amam-behivavy; nahazo babo betsaka taminy koa izy, ka nitondra ireny tany Samaria.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ireo havany ny Zanak’Israely, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa, dia noentiny tany Samaria ireny.
malagasy
Ary ny Zanak'isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin'ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.