2 Chronicles 28:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy mpaminanin’NY TOMPO tao, Odeda no anarany, ary izy io dia nandeha hitsena ny miaramila raha nankany Samaria ireo ka niteny tamin’ireo hoe: E! Ny fahatezeran’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tanànareo, dia novonoinareo ireny tamin’ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy mpaminanin’i Iaveh kosa tao atao hoe Obeda; dia nivoaka izy hitsena ny miaramila sady nankany Samaria, ka nanao taminy hoe: «Noho ny hatezeran’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo tamin’i Jodà no nanolorany azy ho eo an-tananareo, ka efa namono azy tamin-karomotana manakatra ny lanitra ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy mpaminanin ’ny TOMPO tao Samaria, ary Hôbeda no anarany. Niainga hitsena ny miaramila israelita tavaratra izay niditra ny tanàna izy, ka nanao taminy hoe: –Indro fa tezitra mafy tamin’ny Jodeanina tokoa ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ka nanolotra azy ho eo an-tananareo. Kanefa nisafoaka diso tafahoatra ianareo fony namono nahafaty azy, hany ka nanaka- danitra ny akon’izany.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy mpaminanin'i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin'ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin'ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy mpaminanin’NY TOMPO tao, Odeda no anarany, ary izy io dia nandeha hitsena ny miaramila raha nankany Samaria ireo ka niteny tamin’ireo hoe: E! Ny fahatezeran’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tanànareo, dia novonoinareo ireny tamin’ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
malagasy