2 Chronicles 29:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin’NY TOMPO hijoro eo anatrehany hanompo Azy ka ho mpanao fanompoam-pivavahana sy ho mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, anaka, aza manao tsirambina intsony ianareo, fa ianareo no efa voafidin’i Iaveh hanoloana Azy, hanompo Azy, mba ho mpanompony sy hanatitra zava-manitra ho Azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo kosa, manaova fanarenan-javatra ankehitriny ka aza malaina, satria ianareo no voafidin’ny TOMPO hiatrika Azy mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sy ho mpandraharahany ary ho mpandoro vovo-javamanitra ho Azy.
Malagasy Bible 1865
Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin’NY TOMPO hijoro eo anatrehany hanompo Azy ka ho mpanao fanompoam-pivavahana sy ho mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
malagasy
Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.