2 Chronicles 29:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niditra tao amin’ny efitra anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpisorona mba hanadio azy, koa navoakany ho eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO ny zava-maloto rehetra izay hitany tao an-tempolin’NY TOMPO. Nandray ireny kosa ny levita ka navoakany ho any amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niditra tao anatin’ny tranon’i Iaveh ny mpisorona hanadio azy, navoakany avokoa ny loto hitany tao an-tempolin’i Iaveh ho amin’ny kianjan’ny tranon’i Iaveh, dia noraisin’ny Levita hoentiny any an-dohasahan’i Sedrôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpisorona no niditra tao amin’ny efitrano malalaka anatiny amin’ny tranon’ny Tompo mba hanadio izany ary namoaka ny fanaka maloto rehetra izay hitany tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO ho eo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO; ny levita kosa nandray ireny mba havoakany ho any amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpisorona niditra tao amin'ny efitra anatiny amin'ny tranon'i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin'i Jehovah ho eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niditra tao amin’ny efitra anatiny amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpisorona mba hanadio azy, koa navoakany ho eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO ny zava-maloto rehetra izay hitany tao an-tempolin’NY TOMPO. Nandray ireny kosa ny levita ka navoakany ho any amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.
malagasy