2 Chronicles 29:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy ary tamin’ny andro fahavalo tamin’io volana io dia niditra teo amin’ny lalantsara an’NY TOMPO izy ireo; dia nanamasina ny tranon’NY TOMPO tamin’ny havaloana izy ireo; ary tamin’ny andro fahenina amby folo tamin’ny volana voalohany no nahavitany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany, nanomboka ny fanadiovana izy; tamin’ny andro fahavalon’ny volana, niditra teo amin’ny lavarangana fidiran’i Iaveh izy, ka nandany havaloana nanadio ny tranon’i Iaveh; ary tamin’ny andro 16-n’ny volana voalohany dia vitany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro voalohan’ny volana voalohany no nanombohana ny fanadiovana; ary tamin’ny andro fahavalon’io volana io no tafapaka teo amin’ny lalantsara fidirana ho ao an-tempoly izany. Valo andro koa no naharetan’ny fanadiovana ny tranon’ny TOMPO, ka andro faha-16 tamin’io volana voalohany io no vita tanteraka ny fanadiovana manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin'ny andro fahavalo tamin'io volana io dia niditra teo amin'ny lavarangana fidirana an'i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon'i Jehovah tamin'ny havaloana izy; ary tamin'ny andro fahenina ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany no nahavitany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy ary tamin’ny andro fahavalo tamin’io volana io dia niditra teo amin’ny lalantsara an’NY TOMPO izy ireo; dia nanamasina ny tranon’NY TOMPO tamin’ny havaloana izy ireo; ary tamin’ny andro fahenina amby folo tamin’ny volana voalohany no nahavitany azy.
malagasy