2 Chronicles 29:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niditra tao amin’i Hezekia mpanjaka izy ireo ka niteny hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon’NY TOMPO sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo atao fanatitra mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankao amin’i Ezekiasa mpanjaka izy, nilaza hoe: «Efa voadionay avokoa ny tranon’i Iaveh, ny ôtely fanaovan-tsorona dorana sy ny fanaka rehetra momba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niditra tao an-tranon’i Hezekià mpanjaka ireto taranak’i Levỳ ka nanao hoe: –Efa voadionay avokoa, ry Andriamanjaka ô, ny tranon’ny TOMPO sy ny alitara fisoronana mbamin’ny kojakoja rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo alahatra mbamin’ny kojakoja rehetra momba azy koa.
Malagasy Bible 1865
Dia niditra tao amin'i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon'i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niditra tao amin’i Hezekia mpanjaka izy ireo ka niteny hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon’NY TOMPO sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo atao fanatitra mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa.
malagasy