2 Chronicles 29:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny fanaka rehetra izay nozimbazimbain’i Ahaza mpanjaka tamin’ny fahotana vitany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo, eo anoloan’ny alitaran’NY TOMPO izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny fanaka rehetra novetavetain’i Akaza mpanjaka, tamin’ny andro nanjakany, tamin’ny fotoana nanotany, dia efa samy voamboatranay sy voadionay, ka eo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny fanaka rehetra, izay nozimbazimbain’i Ahaza mpanjaka tamin’ny fahotana vitany nandritra ny nanjakany, dia nohavaozinay sy nodiovinay; koa indreo izy eo anoloan’ny alitaran’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain'i Ahaza mpanjaka tamin'ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny fanaka rehetra izay nozimbazimbain’i Ahaza mpanjaka tamin’ny fahotana vitany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo, eo anoloan’ny alitaran’NY TOMPO izy.
malagasy
Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain'i Ahaza mpanjaka tamin'ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah.