2 Chronicles 29:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitondra vantotra ombilahy fito, ondrilahy fito, zanak’ondry fito ary osilahy fito izy ho fanatitra noho ny ota ho an’ny fanjakana sy ho an’ny fitoerana masina ary ho an’i Joda. Ary ny mpisorona, taranak’i Arona, dia nasainy nanolotra ireo teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny nateriny dia ombalahy fito, zanak’ondry fito, hatao sorona noho ny ota, ho an’ny fanjakana sy ho an’ny fitoerana masina ary ho an’i Jodà. Nasain’ny mpanjaka natolotry ny mpisorona taranak’i Aarôna teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh, ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ombilahy fito mbamin’ny ondrilahy fito sy zanak’ondry fito no nentina hatao sorona dorana manontolo, ary nisy koa osilahy fito hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka sy ho an’ny vahoaka jodeanina sady hatao sorona fanadiovana ny tempoly; ka ny mpisorona, taranak’i Aharôna, no nasain’i Hezekià nanolotra ireo teo ambony alitara n’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary nitondra vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak'ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an'ny fanjakana sy ho an'ny fitoerana masina ary ho an'ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak'i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin'ny alitaran'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitondra vantotra ombilahy fito, ondrilahy fito, zanak’ondry fito ary osilahy fito izy ho fanatitra noho ny ota ho an’ny fanjakana sy ho an’ny fitoerana masina ary ho an’i Joda. Ary ny mpisorona, taranak’i Arona, dia nasainy nanolotra ireo teo ambonin’ny alitaran’NY TOMPO.
malagasy