2 Chronicles 29:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia novonoiny ny vantotra ombilahy, ary noraisin’ny mpisorona ny ra ka nafafiny tamin’ny alitara; novonoiny koa ny ondrilahy dia nafafiny tamin’ny alitara ny rany; novonoiny koa ny zanak’ondry dia nafafiny tamin’ny alitara ny rany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia novonoiny ny ombalahy ka noraisin’ny mpisorona ny ra, nararany teo ambonin’ny ôtely ny ra; novonoiny ny zanak’ondry dia nararany teo ambony ôtely ny ra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novonoina ny ombilahy, ary nalain’ny mpisorona ny ra ka nararany tamin’ny alitara; novonoina koa ny ondrilahy sy ny zanak’ondry ka samy nararaka tamin’ny alitara ny rany.
Malagasy Bible 1865
Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy, ary noraisin'ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin'ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak'ondry, dia natopiny tamin'ny alitara ny ràny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia novonoiny ny vantotra ombilahy, ary noraisin’ny mpisorona ny ra ka nafafiny tamin’ny alitara; novonoiny koa ny ondrilahy dia nafafiny tamin’ny alitara ny rany; novonoiny koa ny zanak’ondry dia nafafiny tamin’ny alitara ny rany.
malagasy