2 Chronicles 29:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia novonoin’ny mpisorona ireo ka ny rany dia nataony teo amin’ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ny Israely; fa ho an’ny Israely rehetra no nasain’ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia novonoin’ny mpisorona, nanaovany ny fanonerana teo amin’ny ôtely ny rany, nanaovany fanonerana ho an’i Israely rehetra, fa ho an’i Israely rehetra no nampanaovin’ny mpanjaka ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia novonoin’ny mpisorona ireo osilahy ireo, ka ny rany no natolony teo amin’ny alitara araka ny fanao mba ho sorona famelan-keloka ho an’i Israely manontolo; fa nasain’ny mpanjaka natolotra ho an’i Israely manontolo na ny sorona dorana manontolo na ny sorona fanalana ny ota.
Malagasy Bible 1865
dia novonoin'ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin'ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely; fa ho an'ny Isiraely rehetra no nasain'ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia novonoin’ny mpisorona ireo ka ny rany dia nataony teo amin’ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ny Israely; fa ho an’ny Israely rehetra no nasain’ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra noho ny ota.
malagasy