2 Chronicles 29:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpanjaka dia nametraka ny levita tao amin’ny tranon’NY TOMPO mba hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin’i Davida mpanjaka sy i Gada, mpahitan’ny mpanjaka, sy i Natana mpaminany; fa izany no didin’NY TOMPO nampitondrainy ny mpaminaniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasainy nalahatra teo an-tranon’i Iaveh ny Levita, samy mitondra kipantsona sy valiha ary harpa, araka ny didin’i Davida sy i Gada mpahitan’ny mpanjaka, ary i Natàna mpaminany, fa didy avy amin’i Iaveh tamin’ny alalan’ny mpaminany, izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary napetraky ny mpanjaka tao an-tranon’ny TOMPO ireo levita ombàn’ny kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didy nataon’i Davida mpanjaka ary koa nataon’i Gada mpahitany sy i Natàna mpaminany; izany no didy nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpanjaka dia nametraka ny levita* tao amin’ny tranon’NY TOMPO mba hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin’i Davida mpanjaka sy i Gada, mpahitan’ny mpanjaka, sy i Natana mpaminany; fa izany no didin’NY TOMPO nampitondrainy ny mpaminaniny.
malagasy
Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon'i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin'i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan'ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin'i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.