2 Chronicles 29:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nasain’i Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka hihira sy hidera NY TOMPO tamin’ny teny namboarin’i Davida sy i Asafa mpahita ny levita. Ary nihira fiderana tamin-kafaliana izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tenin’i Davida sy i Asafa mpahita, no nasain’ny mpanjaka sy ny lehibe nideran’ny Levita an’i Iaveh, ary nidera tamin-kafaliana izy ireo sady niondrika nitsaoka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Hezekià sy ny manampahefana dia nanainga ny levita mbola hidera ny Tompo tamin’ny tononkiran’i Davida sy ny an’i Asafa mpahita; ka nihira fiderana tamin-kafaliana izy, avy eo dia niondrika sy niankohoka hitsaoka ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an'i Jehovah tamin'ny teny namboarin'i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin'ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nasain’i Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka hihira sy hidera NY TOMPO tamin’ny teny namboarin’i Davida sy i Asafa mpahita ny levita. Ary nihira fiderana tamin-kafaliana izy, dia niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka.
malagasy