2 Chronicles 29:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Hezekia: Efa nanokana ny tenanareo ho an’NY TOMPO ianareo izao, koa manatòna ka mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha efa izany, niteny i Ezekiasa ka nanao hoe: «Vita fanokanan-tena ho an’i Iaveh indray izao ianareo, ka manatòna, manatera sorona amam-pisaorana ao an-tranon’i Iaveh.» Dia nanatitra sorona amam-pisaorana ny fiangonana, ary nanolotra sorona dorana koa izay rehetra mazava fo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niteny indray i Hezekià ka nanao tamin’ny vahoaka hoe: –Ankehitriny ianareo izay vonon-kanao fanomezana ho an’ny TOMPO dia manatòna ary mitondrà sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ho ao an-tranon’ny TOMPO! Dia nitondra biby hatao sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ny vahoaka tafangona; ary izay rehetra malala-tanana dia nitondra sorona dorana manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Hezekia: Efa nanokana ny tenanareo ho an’NY TOMPO ianareo izao, koa manatòna ka mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana manontolo.
malagasy
Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana. [Heb. namanareo ny tananareo]