2 Chronicles 29:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny isan’ny fanatitra dorana manontolo izay noentin’ny fiangonana dia omby fitopolo sy ondrilahy zato ary zanak’ondry roanjato; natao fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo rehetra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ny isan’ny sorona dorana naterin’ny fiangonana dia omby 70, ondralahy 100, ary zanak’ondry 200, sorona dorana iray ihany ho an’i Iaveh avokoa ireo rehetra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny isan’ny sorona dorana manontolo nentin’ny mpiangona dia omby fitopolo sy ondrilahy zato ary zanak’ondry roanjato; ka natolotra ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO ireo rehetra ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny isan'ny fanatitra dorana izay nentin'ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny isan’ny fanatitra dorana manontolo izay noentin’ny fiangonana dia omby fitopolo sy ondrilahy zato ary zanak’ondry roanjato; natao fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo rehetra ireo.
malagasy
Ary ny isan'ny fanatitra dorana izay nentin'ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.