2 Chronicles 29:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana manontolo rehetra, dia nanampy azy ny levita rahalahiny mandra-pahavitan’ny raharaha sy ny nanamasinan’ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny levita dia nazoto kokoa tamin’ny fanamasinana ny tenany noho ny mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nahendaka ny sorona dorana rehetra ny mpisorona, fa vitsy, ka dia nampian’ny Levita rahalahiny izy, mandra-pahavitan’ny raharaha sy mandra-panamàsin’ny mpisorona sasany ny tenany, fa narisika kokoa ny Levita noho ny mpisorona tamin’ny fanamasinana ny tenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vitsy loatra ny mpisorona teo ka tsy nahendaka ny hoditr’ireo biby rehetra natao sorona dorana manontolo, dia nanampy azy ny levita mpiray foko aminy mandra-pahavitan’ny raharaha; ary toy izany hatrany no natao mandra-pahavitan’ireo mpisorona sasany ny fidiovan-tenany, satria ny levita dia nazoto kokoa noho ny mpisorona tamin’ny fidiovan-tena.
Malagasy Bible 1865
Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan'ny raharaha sy ny nanamasinan'ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana manontolo rehetra, dia nanampy azy ny levita rahalahiny mandra-pahavitan’ny raharaha sy ny nanamasinan’ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny levita dia nazoto kokoa tamin’ny fanamasinana ny tenany noho ny mpisorona.
malagasy