2 Chronicles 29:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary be koa ny fanatitra dorana manontolo sy ny saboran’ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina ampiarahina amin’ny fanatitra dorana manontolo. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sady ny sorona dorana moa efa betsaka; ny saboran’ny sorom-pihavanana sy ny fanatitra araraka momba ny sorona dorana koa etsy an-daniny. Toy izany no nanaovana indray ny fanompoana tao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary be koa tetsy an-daniny, ankoatra ny sorona dorana manontolo maro, ny fanolorana ireo saboran’ny sorom-pihavanana sy ny fanolorana ireo fanatitra divay ampombaina ny sorona dorana manontolo. Toy izany no nanavaozana ny fanompoam-pivavahana tao an-tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary be koa ny fanatitra dorana manontolo sy ny saboran’ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina ampiarahina amin’ny fanatitra dorana manontolo. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah.Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.