2 Chronicles 29:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo levita, koa hamasino ny tenanareo izao, hamasino koa ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ny fitoerana masina ny zava-maloto rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nilazany hoe: «Mihainoa ahy, ianareo Levita: hamasino ny tenanareo, hamasino ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ka esory amin’ny fitoerana masina ny loto rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nilazany hoe: –Henoinareo aho, ry taranak’i Levỳ! Ankehitriny midiova tena ianareo, diovy koa ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ny Toeramasina ny zavatra maloto ara-pivavahana.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny fitoerana masina ny loto.