2 Chronicles 29:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran’NY TOMPO, koa izany no nanaovany izao zavatra mampihorohoro sy ho figagana ary ho zavatra mampihivingivina toy izao hitan’ny masonareo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia nianjera tamin’i Jodà sy i Jerosalema ny fahatezeran’i Iaveh, navelany izy hianjadian’ny horohoro amam-pahoriana sy faniratsirana, araka izao hitan’ny masonareo izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema; ary hataony ohatra hampihoron-koditra sy hampahonena ary hoenti-maneso, toy izao mbola hitanareo maso izao.
Malagasy Bible 1865
Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran’NY TOMPO, koa izany no nanaovany izao zavatra mampihorohoro sy ho figagana ary ho zavatra mampihivingivina toy izao hitan’ny masonareo izao.
malagasy
Ka dia nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran'i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan'ny masonareo izao. [Na: fampangovitana]