2 Chronicles 3:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roapolo hakiho: Ny elatry ny iray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo. Ny elatra anankiray amin’ny voalohany, dimy hakiho no halavany, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, dia mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nijoro tamin’ny tongony ireo kerobima ireo, ary ny tarehiny nitodika tany amin’ny fidirana. Samy nanana elatra roa avy ireto kerobima ireto; ka ny anankiray samy nipaka tamin’ny rindrina, ary ny anankiray nifanendry teo afovoany. Roa metatra sy sasany ny fivelaran’ny elatra ka ny halavan’ny elatra mivelatra rehetra mitambatra dia folo metatra.
Malagasy Bible 1865
Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roapolo hakiho: Ny elatry ny iray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray;
malagasy