2 Chronicles 3:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanangana andry roa teo anoloan’ny Trano izy; dimy amby telopolo hakiho ny haavony ary ny tendrony teo an-tampony dia dimy hakiho avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao andry roa teo anoloan’ny trano izy, dimy amby telopolo hakiho avy no haavony, dimy hakiho ny loha andry tao an-tampony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao ireo andry roa teo anoloan’ny Toeramasina i Horama, ka 17 metatra sy sasany ny haavony; ary ny koronosy teo an-tampony kosa dia roa metatra sy sasany avy ny haavony.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanangana andry roa teo anoloan’ny Trano izy; dimy amby telopolo hakiho* ny haavony ary ny tendrony teo an-tampony dia dimy hakiho avy.
malagasy
Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.