2 Chronicles 3:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao rojo tao amin’ny efitra anatiny izy ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy ka nataony teo amin’ny rojo ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao tongalika, toy ny ao amin’ny loha andry; ary nanao voan’ampongabendanitra zato izy, nataony teo amin’ny tongàlika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataony koa ny tongàlika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon’ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin’ampongabendanitra zato ka nahantony tamin’ireo tongàlika ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao rojo tao amin’ny efitra anatiny izy ka nataony teo an-tampon’ny andry ireo; ary nanao sarin’ampongabendanitra zato izy ka nataony teo amin’ny rojo ireo.
malagasy
Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]