2 Chronicles 3:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray dia teo amin’ny ankavanana, ary ny iray dia teo amin’ny ankavia; ary ny anaran’ilay teo amin’ny ankavanana dia nataony hoe Jakina ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa dia nataony hoe Boaza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray teo ankavanany, ny iray teo ankaviany. Ilay teo ankavanany nataony hoe Jakîna ary ny eo ankavia, i Booza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natsangany teo anoloan’ny Toeramasina ireo andry roa, ka ny anankiray tamin’ny ankavanana ary ny anankiray tamin’ny ankavia; ny anaran’ilay teo ankavanana dia Jakîna, izany hoe «Andriamanitra mampiorina mafy», ary ny anaran’ilay teo ankavia dia Bôhaza, izany hoe «Ao amin’Andriamanitra ny hery».
Malagasy Bible 1865
Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary natsangany teo anoloan’ny tempoly ny andry, ny iray dia teo amin’ny ankavanana, ary ny iray dia teo amin’ny ankavia; ary ny anaran’ilay teo amin’ny ankavanana dia nataony hoe Jakina ary ny anaran’ny teo amin’ny ankavia kosa dia nataony hoe Boaza.
malagasy
Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]