2 Chronicles 3:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny trano lehibe nopetahany hazo sipresa, dia nopetahany volamena madio, nasainy nasiana sarin-drofia aman-tongàlika nosokirina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongàlika.
Malagasy Bible 1865
Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo.
malagasy
Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. [palma]