2 Chronicles 30:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandefa iraka tany amin’Israely sy i Joda rehetra i Hezekia ary nanoratra taratasy ho amin’i Efraima sy i Manase koa mba hankanesany any amin’ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandefa iraka ho any amin’i Israely rehetra sy i Jodà i Ezekiasa ary nanoratra taratasy ho any amin’i Efraima sy i Manase koa, hankanesan’izy ireo ao an-tranon’i Iaveh ao Jerosalema, hanao ny Paka ho fankalazana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanjaka Hezekià sy ny manampahefana ary ny mpiangona rehetra tao Jerosalema dia niara-nandinika momba ny tokony hankalazana ny Paska amin’ny volana faharoa. Tsy nisy nahafahana nankalaza izany tamin’ny vaninandro manandrify, satria tsy mbola ampy isa ireo mpisorona nahavita ny fidiovan-tenany; ary ny vahoaka koa tsy mbola vory tao Jerosalema. Sitraky ny mpanjaka sy ny mpiangona rehetra izany eritreritra izany; ka tapaka ny hevitra fa handefasan-teny eran’i Israely manontolo hatrany Beera-Seba ka hatrany Dana mba hahatongavan’ny olona hankalaza ny Paska ao Jerosalema ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Vitsy manko ny olona nankalaza izany araka ny voasoratra. Dia nandefasan’i Hezekià iraka ny faritra rehetra amin’i Israely avaratra sy i Joda mba hanainga ny olona ho tonga ao an- tranon’ny TOMPO any Jerosalema ka hankalaza ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; nanoratra taratasy fanasana mihitsy aza i Hezekià ho an’ny foko efraimita sy manasita.
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandefa iraka tany amin’Israely sy i Joda rehetra i Hezekia ary nanoratra taratasy ho amin’i Efraima sy i Manase koa mba hankanesany any amin’ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema hitandrina ny Paska* ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
malagasy
[Ny nitandreman'i Hezekia sy ny vahoaka ny Paska] Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.