2 Chronicles 30:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsangana izy ireo dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary noravany koa ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangana izy ireo, dia noravany avokoa ny ôtely tao Jerosalema, noravany koa ny ôtely fanaterana zava-manitra, ka nariany tany an-dohasahan’i Sedrôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nirotsaka nandrava ireo alitara fanompoan-tsampy tao Jerosalema ny olona; noravany koa ireo alitara fandoroana vovo-javamanitra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrôna.
Malagasy Bible 1865
Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsangana izy ireo dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary noravany koa ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra ka nariany tany amin’ny lohasahan-driaka Kidrona.
malagasy
Ary nitsangana izy, dia nandrava ireo alitara tany Jerosalema; ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra rehetra dia noravany koa ka nariany tany amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.