2 Chronicles 30:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namono ny Paska izy tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana faharoa; ary menatra ny mpisorona sy ny levita dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana manontolo ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay vao namono ny Paka izay ireo, tamin’ny andro faha-14n’ny volana faharoa. Menatra ny mpisorona sy ny Levita, ka nanamasina ny tenany, dia nanolotra sorona dorana, tao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony andro faha-14 tamin’ny volana faharoa dia novonoina ny biby fanao sorona amin’ny Paska. Azon-kenatra ny mpisorona sy ny levita, ka nidio tena mba ho afa-kampiditra ny sorona dorana manontolo ho ao an- tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia namono ny Paska izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namono ny Paska* izy tamin’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana faharoa; ary menatra ny mpisorona sy ny levita* dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana manontolo ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Dia namono ny Paska izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa; ary menatra, ny mpisorona sy ny Levita, dia nanamasina ny tenany ka nampiditra ny fanatitra dorana ho ao an-tranon'i Jehovah.