2 Chronicles 30:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ny fifaliana lehibe ny Zanak’Israely izay tany Jerosalema; ary nidera NY TOMPO isanandro ny levita sy ny mpisorona no sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanak’i Israely izay tao Jerosalema nankalaza ny fetin’ny Azima tamin-kafaliana lehibe, nandritra ny hafitoana; ary isan’andro ny Levita sy ny mpisorona nidera an’i Iaveh tamin’ny zava-maneno mikarantsana, ho fankalazana an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Israelita izay tao Jerosalema dia nankalaza tamin-kafaliana lehibe nandritra ny herinandro izany fetin’ny mofo tsy misy leviora izany; isan’andro ny levita sy ny mpisorona no nidera ny TOMPO nombàn’ny zava-maneno mafy feo mba ho fanajana AZY.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zanak'isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an'i Jehovah isan'andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ny fifaliana lehibe ny Zanak’Israely izay tany Jerosalema; ary nidera NY TOMPO isanandro ny levita sy ny mpisorona no sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny Zanak'isiraely izay tany Jerosalema dia nitandrina hafitoana ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'ny fifaliana lehibe; ary ny Levita sy ny mpisorona nidera an'i Jehovah isan'andro sady nampaneno zavatra mafy faneno ho an'i Jehovah. [Na: fiderana]