2 Chronicles 30:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Hezekia dia nankasitraka ny levita rehetra izay nampiseho fahaizana ho amin’ny raharahan’NY TOMPO; ary nihinana ny Paska nandritra ny hafitoana izy sady nanolotra fanati-pihavanana sy nisaotra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niteny tamin’ny Levita rehetra, teny manetsika ny fo, i Ezekiasa, fa naneho fahaizana fatratra tamin’ny fanompoana an’i Iaveh izy ireo. Nandritra ny hafitoana izy ireo nihinana ny zavatra natao sorona tamin’ny fety, nanolotra ny sorom-pihavanana, ary nidera an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny teny nataon’i Hezekià dia nanohina ny fon’ireo levita rehetra izay feno fahazotoana tokoa ho an’ny TOMPO. Nihinana ny sakafo Paska nandritra ny herinandro ny olona ka sady nanolotra sorom-pihavanana no nisaotra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an'i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Hezekia dia nankasitraka ny levita rehetra izay nampiseho fahaizana ho amin’ny raharahan’NY TOMPO; ary nihinana ny Paska nandritra ny hafitoana izy sady nanolotra fanati-pihavanana sy nisaotra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany.
malagasy