2 Chronicles 30:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra, ny mpisorona, ny levita sy izay rehetra tafangona avy tamin’ny Israely mbamin’ny vahiny izay avy tany amin’ny tany Israely ary izay nonina tany Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niara-nirobiroby ny fiangonan’i Jodà rehetra, ny mpisorona sy ny Levita, ny fiangonana rehetra avy any amin’i Israely ary ny vahiny rehetra avy any amin’i Israely, na niorim-ponenana teo amin’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faly ny besinimaro niangona teo; dia ny Jodeanina sy ny mpisorona mbamin’ny levita ary koa izay rehetra anisan’ny Israelita tavaratra na ireo nivahiny ho an’ny fety na ireo nonina tao Joda.
Malagasy Bible 1865
Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra sy ny mpisorona sy ny Levita sy izay rehetra tafangona avy tamin'ny Isiraely mbamin'ny vahiny izay avy tany amin'ny tany Isiraely ary izay nonina tany Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary faly ny fiangonana, dia ny Joda rehetra, ny mpisorona, ny levita sy izay rehetra tafangona avy tamin’ny Israely mbamin’ny vahiny izay avy tany amin’ny tany Israely ary izay nonina tany Joda.
malagasy