2 Chronicles 30:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa ny iraka haingam-pandeha nitondra ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Israely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ny mpanjaka hoe: Ry Zanak’Israely ô! Miverena amin’NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely, mba hiverenany ho amin’izay sisa izay tsy azon’ny tanan’ireo mpanjakan’i Arama aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha ny mpihazakazaka nitondra ny taratasin’ny mpanjaka sy ny lehibe any amin’i Israely sy i Jodà rehetra, ka nilaza, araka ny didin’ny mpanjaka nanao hoe: «Ry zanak’i Israely ô, miverena amin’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely, dia hiverina amin’izay sisa Izy, dia aminareo izay afaka tsy latsaka eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy: –Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.
Malagasy Bible 1865
Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa ny iraka haingam-pandeha nitondra ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Israely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ny mpanjaka hoe: Ry Zanak’Israely ô! Miverena amin’NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely, mba hiverenany ho amin’izay sisa izay tsy azon’ny tanan’ireo mpanjakan’i Arama aminareo.
malagasy