2 Chronicles 30:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ny razanareo fa atolory NY TOMPO ny tananareo ka midira ao amin’ny fitoerany masina izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Iaveh ny tananareo, tongava ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hialan’ny afon’ny fahatezerany aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aza manamafy hatoka toy ny nataon’ny razanareo ianareo, fa manomeza toky hanompo ny TOMPO ka tongava ao amin’ny tempoliny izay efa natokany hanan-kasina mandrakizay; eny, manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo mba hialan’ny fahatezerany mirehitra aminareo.
Malagasy Bible 1865
Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ny razanareo fa atolory NY TOMPO ny tananareo ka midira ao amin’ny fitoerany masina izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
malagasy