2 Chronicles 31:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony vita izany rehetra izany dia niainga nankany an-tanànan’i Joda ny Israely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha ary nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny alitara manerana an’i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’Israely rehetra avy eo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin’ireo tanàna jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran’i Joda sy i Benjamîna ary koa tamin’ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian’izay dia samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan'ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran'i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak'isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony vita izany rehetra izany dia niainga nankany an-tanànan’i Joda ny Israely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* ary nandrava ny toerana fanaovana sorona sy ny alitara manerana an’i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak’Israely rehetra avy eo.
malagasy
[Ny nandravan'ny olona ny zavatra momba ny sampy, sy ny nandaminan'i Hezekia ny fanompoam-pivavahana] Ary nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany an-tanànan'ny Joda ny Isiraely rehetra izay tao ka nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aseraha ary nandrava ny fitoerana avo sy ny alitara eran'i Joda sy Benjamina rehetra ary tany Efraima sy Manase koa ambara-paharavany azy rehetra. Dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tanànany avy ny Zanak'isiraely rehetra.