2 Chronicles 31:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namaly azy i Azaria mpisoronabe, taranak’i Zadoka hoe: Hatramin’ny nanombohan’ny olona nitondra ny fanomezana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO dia nihinana izahay ka voky sady be koa ny sisa; satria nitahy ny olony NY TOMPO ka ny sisa ireo betsaka ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Azariasa mpisorona lehibe taranak’i Sadôka namaly azy: «Hatramin’ny niandohan’ny nanateran’ny olona ny fanomezana voaavaka ao an-tranon’i Iaveh, dia nihinana sy nanao voky ihany izahay, nefa mbola be koa ny tsy laninay, fa nambinin’i Iaveh ny vahoakany, ka he izato habetsahan’ny sisa tsy lany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka i Hazarià mpisorombe, anisan’ny taranak’i Tsadôka, no namaly azy hoe: –Hatramin’ny niandohan’ny fitondran’ny olona ampaham-bokatra an-tranon’ny TOMPO, dia nanana hanin-kahavoky izahay, sady be koa ny ambiny tavela satria ny TOMPO efa nitahy ny vahoakany. Ireo navelanay mivangongo ireo ny ambiny.
Malagasy Bible 1865
Ary Azaria mpisoronabe, taranak'i Zadoka, namaly azy hoe: Hatramin'ny niandohan'ny nitondran'ny olona ny fanatitra ho ao an-tranon'i Jehovah dia nihinana izahay ka voky, sady be koa ny sisa; fa Jehovah nitahy ny olony, ary ny sisa dia ireo betsaka ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namaly azy i Azaria mpisoronabe, taranak’i Zadoka hoe: Hatramin’ny nanombohan’ny olona nitondra ny fanomezana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO dia nihinana izahay ka voky sady be koa ny sisa; satria nitahy ny olony NY TOMPO ka ny sisa ireo betsaka ireo.
malagasy