2 Chronicles 31:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanendry ny antokon’ny mpisorona sy ny levita araka ny antokony avy i Hezekia, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny fanatitra dorana manontolo, ny fanati-pihavanana, hanao fanompoam-pivavahana, hisaotra ary hidera eny amin’ny vavahadin’ny tobin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Najoron’i Hezekià indray ny antokon’ny mpisorona sy ny levita; ary ankoatra ny fitsinjarana azy araka ny antokony, dia teo koa ny fitsinjarana azy araka ny fanompoany avy. Tao anatin’ireo kianjan’ny tranon’ny TOMPO manko dia nisy mpisorona sy levita nisahana ny sorona dorana manontolo, nisy nisahana ny sorom-pihavanana, ary nisy nisahana ny fanompoam-pivavahana isaorana sy iderana ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Ary Hezekia nanendry ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin'ny vavahadin'ny tobin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanendry ny antokon’ny mpisorona sy ny levita* araka ny antokony avy i Hezekia, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny fanatitra dorana manontolo, ny fanati-pihavanana, hanao fanompoam-pivavahana, hisaotra ary hidera eny amin’ny vavahadin’ny tobin’NY TOMPO.
malagasy
Ary Hezekia nanendry ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita araka ny antokony avy, samy araka ny fanompoany avy, dia ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavavana sy hanao fanompoam-pivavahana sy hisaotra ary hidera eny amin'ny vavahadin'ny tobin'i Jehovah.