2 Chronicles 31:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay hatao fanatitra dorana manontolo rehetra dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, dia ny fanatitra dorana manontolo maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana manontolo atao amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy ihany no nanome, avy amin’ny fananany, izay anjaran’ny mpanjaka, amin’ny sorona dorana, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva, sy ny sorona dorana amin’ny sabata, ny voalohan’ny volana, ny fety, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zavatra hatao sorona dorana manontolo dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, na ny fanolotra marain-tsy hariva izany na ny fanolotra isan- tsabata sy amin’ny voaloham-bolana ary amin’ny fankalazana hafa, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hatao fanatitra dorana rehetra dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, dia ny fanatitra dorana maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana atao amin'ny Sabata sy amin'ny voaloham-bolana sy amin'ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay hatao fanatitra dorana manontolo rehetra dia nomen’ny mpanjaka avy tamin’ny fananany, dia ny fanatitra dorana manontolo maraina sy hariva sy ny fanatitra dorana manontolo atao amin’ny Sabata sy amin’ny voaloham-bolana sy amin’ny fotoam-pivavahana, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO.
malagasy