2 Chronicles 31:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony niely izany teny izany dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’Israely, dia vary, ranom-boaloboka, diloilo, tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ny fahafolonkarena tamin’ny zavatra rehetra dia betsaka koa no noentiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa naely izany didy izany, dia nanateran’ny zanak’i Israely be dia be ny santatry ny varimbazaha, ny divay vaovao, ny diloilo, ny tantely, mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; be koa ny fahafolon-karena nentiny avy amin’ny vokatra rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Israelita: dia vary sy divay, menaka sy tantely mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin’ny zavatra rehetra dia betsaka koa no nentiny.
Malagasy Bible 1865
Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak'isiraely, dia vary sy ranom-boaloboka sy diloilo sy tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra, dia betsaka koa no nentiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony niely izany teny izany dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Zanak’Israely, dia vary, ranom-boaloboka, diloilo, tantely ary vokatry ny tany isan-karazany; ny fahafolonkarena tamin’ny zavatra rehetra dia betsaka koa no noentiny.
malagasy