2 Chronicles 31:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Israely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan’i Joda, dia nitondra ny fahafolonkarena koa, dia omby sy ondry aman’osy, ary ny fahafolon’ny zavatra masina izay nohamasinina ho an’NY TOMPO Andriamaniny, ary natokotokony maro miavosa ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanak’i Israely sy i Jodà, nonina teo amin’ny tanànan’i Jodà koa, dia nitondra ny fahafolon-karena tamin’ny omby aman’ondry, mbamin’ny fahafolon-karena tamin’ny zavatra masina rehetra natokana ho an’i Iaveh Andriamaniny, ka natokotoko ho antontany maro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mponin’ireo tanànan’i Joda, na Israelita tavaratra na Jodeanina, dia nitondra koa ny fahafolon-karena tamin’ny omby sy ondry aman’osy ary ny fahafolon-karena tamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; nentiny avokoa ny zavatra voatokana ho an’ny TOMPO ary navosany nitsitokotoko maro ireny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Isiraely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan'ny Joda, nitondra ny fahafolon-karena koa, dia omby sy ondry aman'osy, ary ny fahafolon'ny zavatra masina izay nohamasinina ho an'i Jehovah Andriamaniny, ary navosainy nitokotoko maro ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Israely sy ny Joda, izay nonina tany an-tanànan’i Joda, dia nitondra ny fahafolonkarena koa, dia omby sy ondry aman’osy, ary ny fahafolon’ny zavatra masina izay nohamasinina ho an’NY TOMPO Andriamaniny, ary natokotokony maro miavosa ireny.
malagasy