2 Chronicles 32:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’izany raharaha natao tamim-pahamarinana izany dia avy i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikendry hahazo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’ireo zavatra aman’asa marina ireo, no niainga i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, ka nidina tany Jodà, dia nanorina toby hamely ny tanàna mimanda, ary nikendry ny hahafaka azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany zava-nitranga sy fanehoam-piraiketam-po tamin’Andriamanitra izany, dia tonga tao Joda i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary nanao fahirano ny tanànamimanda ka nikendry haka azy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’izany raharaha natao tamim-pahamarinana izany dia avy i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikendry hahazo azy.
malagasy
[Ny nanafihan'ny Asyriana an'i Joda tamin'ny andro nanjakan'i Hezerika sy ny niarovan'Andriamanitra azy] Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy.