2 Chronicles 32:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo i Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin’ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin’ny tanako sy ny tanan’ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin’ny tanako?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, aza dia mety hambosin’i Ezekiasa na hofitahiny ianareo! Ary aza matoky azy. Fa ny andriamanitry ny firenena sy ny fanjakana hafa rehetra tsy nisy nahavonjy ny vahoakany tamin’ny tanako sy ny tanan’ny razako, ka mainka tsy hahavonjy anareo amin’ny tanako izay Andriamanitrareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny àry, aza mety hofitahin’i Hezekià na ho voasodokany tahaka izao ianareo; aza matoky azy ianareo. Tsy nisy manko andriamanitra, tany amin’ny firenena amam-panjakana isan-tokony, izay nahavonjy ny olony tsy hiharan’ny fahefàn’ireo razako na ny fahefàko; noho izany, ireo andriamanitrareo koa tsy hahavonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko.»
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin'ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin'ny tanako sy ny tanan'ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin'ny tanako?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo i Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin’ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin’ny tanako sy ny tanan’ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin’ny tanako?
malagasy