2 Chronicles 32:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady nanoratra taratasy hihantsy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely sy hiteny ratsy Azy ka niteny hoe: Tahaka ny tsy nahavonjen’ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ny olony tamin’ny tanako no tsy hahavonjen’ny Andriamanitr’i Hezekia ny olony koa amin’ny tanako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy koa nanoratra taratasy nanalany baraka an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely sy naniratsirany azy; izao no teniny: «Tahaka ny tsy nahavonjen’ireo andriamanitry ny firenena amin’ny tany ny vahoakany tamin’ny tanako, no tsy hahavonjen’ny Andriamanitr’i Ezekiasa ny vahoakany, amin’ny tanako koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanoratra taratasy koa ity mpanjakan’i Asiria mba hihantsiana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely sy hanarabiana Azy. Ka hoy izy hoe: «Tsy nahavonjy ny olony tsy hiharan’ny fahefàko ny andriamanitr’ireo firenena hafa teto an-tany; noho izany, ny Andriamanitr’i Hezekià dia tsy hahavonjy koa ny olony tsy hiharan’ny fahefàko.»
Malagasy Bible 1865
sady nanoratra taratasy hihaika an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien'ireny andriamanitry ny firenena tany amin'ny tany hafa ny olony tamin'ny tanako no tsy hahavonjen'ny Andriamanitr'i Hezekia ny olony koa amin'ny tanako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady nanoratra taratasy hihantsy NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely sy hiteny ratsy Azy ka niteny hoe: Tahaka ny tsy nahavonjen’ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ny tany hafa ny olony tamin’ny tanako no tsy hahavonjen’ny Andriamanitr’i Hezekia ny olony koa amin’ny tanako.
malagasy